Zava-manahirana

Zava-manahirana tokoa ankehitriny izany hoe mandeha amin’ny arabe izany. An’ny mpivarotra ny sisin-dàlana eto Antananarivo , ary ifampizaran’ny mpandeha an-tongotra sy ny fiara ny arabe.

Tahotra ny ho voadona foana no ao an-tsaina isak’izay mivoaka ny trano, noho ny fahaterenan’ny lalan-kizorana.

Fa mbola zava-manahirana iray hafa koa ny toe-tsain’ny olona mifamoivoy eny an-dàlana eny an! Tsy misy miraika intsony fa dia mikaika mpitondra fiara mihitsy aza rehefa mba andefasana fanairana. Toa izy ireo indray no mafy be noho ny vy, ka nofy ho azy izay handeha haingana sy hijery ilay nampaneno fanairana. Misy mihitsy aza ny mahavita miteny hoe ‘Dony raha sahy ialahy e!’

F’angaha tena tsy misy hevitra mihitsy ny handaminana ity reaska arabe ity e? Aiza rangahy koa ny mpivarotra (fiara, enta-madinika mandehandeha, kojakoja tsy dia hita hoe ahoana, sns…) no mameno ny tanàna.

Mampalahelo raha toy izany no ho foto-pisainana entina hitombo, satria dia tsy ankizy, tsy lehibe, fa samy manana an’io fomba ratsy io daholo.

2 commentaires »

  1. Aina RAKOTO Said:

    sarotra loatra ny fiainana ao antaninarivo.

    sakafo aloha no tadiavin’ny ponina alohan’ny zavatra rehetra. Sarotra ny fitadiavana, miova ny toe-tsainy mahantra satria tsy misy hirika hivoahana intsony. Ny filana ara-tsakafo mialoha ny filana hafa rehetra toy ny filaminana. Noho izany andeha aloha hitady sakafo alohan’ny hametra-panontaniana hoe ahoana no hatao mba hilaminana sy hiainana ampilaminana, fanontaniana afaka mipetraka rehefa voky ny kibo.

    na dia izany aza misy ireo manana ny ampy ao antaninarivo ka tsy azo kianina loatra ireo hevitra eo ambony ho an’ny sarangan’olona vitsy

    TIAKO BE ILAY BLAOGY

  2. njo Said:

    eny tokoa, mampandeha lavitra ny saina izany… olana toa izany anefa no mampitsiry ireo mpamorona hiketrika zavatra… any Sina izao dia fiarabe tsy mipe-tany fa misakelika fiarakodia no noforonin’ny mpikaroka kolokoloin-dry zareo … ary ny antsikakosa, aiza ny toeran’ny mpamorona eo amin’ny fiaraha-monina ?


{ RSS feed for comments on this post} · { TrackBack URI }

Répondre à njo Annuler la réponse.