Archive for Fiaraha-monina

Zava-manahirana

Zava-manahirana tokoa ankehitriny izany hoe mandeha amin’ny arabe izany. An’ny mpivarotra ny sisin-dàlana eto Antananarivo , ary ifampizaran’ny mpandeha an-tongotra sy ny fiara ny arabe.

Tahotra ny ho voadona foana no ao an-tsaina isak’izay mivoaka ny trano, noho ny fahaterenan’ny lalan-kizorana.

Fa mbola zava-manahirana iray hafa koa ny toe-tsain’ny olona mifamoivoy eny an-dàlana eny an! Tsy misy miraika intsony fa dia mikaika mpitondra fiara mihitsy aza rehefa mba andefasana fanairana. Toa izy ireo indray no mafy be noho ny vy, ka nofy ho azy izay handeha haingana sy hijery ilay nampaneno fanairana. Misy mihitsy aza ny mahavita miteny hoe ‘Dony raha sahy ialahy e!’

F’angaha tena tsy misy hevitra mihitsy ny handaminana ity reaska arabe ity e? Aiza rangahy koa ny mpivarotra (fiara, enta-madinika mandehandeha, kojakoja tsy dia hita hoe ahoana, sns…) no mameno ny tanàna.

Mampalahelo raha toy izany no ho foto-pisainana entina hitombo, satria dia tsy ankizy, tsy lehibe, fa samy manana an’io fomba ratsy io daholo.

Publicités

INDROA MAHITA NY MAIZINA

INDROA MAHITA NY MAIZINA Zavatra nahavaka ny sain’ny mponin’Andravoahangy Ambatomitsangana nanomboka ny fiandohan’ny volana Mars ny tsy fahafatesan’ny jiron’ny JIRAMA teny amin’ny andrin-jiro na andro na alina. Talohan’io dia toy izao ny zava-nisy. Amin’ny antoandro no mirehitra ny jiro, ary dia maty sy tsy misy hazavana rehefa alina. Mifamadika tanteraka amin’izay tokony ho izy. Rehefa nilazàna ny tao amin’ny JIRAMA dia nijery ary nilaza fa simba ny fitaovana mpibaiko tena mitondra azy io, ho an’ny fokontany roa (Andravoahangy andrefana sy atsinanana) ary ny manodidina azy akaiky. Tapa-bolana lasa ary izay dia notsoahan’ny JIRAMA ary ilay fitaovana. Dia nirehitra tsy nijanona teo ny jiro, na andro na alina.

 sunp0001.jpg

Rehefa niantso tany sy nandeha nandoa vola tany ny Sekoly iray sy ny mponina vitsy tety aminay dia nilaza ry zareo fa efa nomeny fiofanana ireo filoham-pokontany roa voalaza etsy ambony mba hahafahan’izy ireo manapaka ny herinaratra mandrehitra ireo jiro rehefa mazava ny andro. Ary tsy maintsy ho voapetraka ny solon’ilay fitaovana, na ilay izy avy namboarina, hatramin’ny sabotry 22 mars izao raha tara indrindra satria mbola lasa nanaraka fiofanana koa, hono, ilay zalahy mpametaka azy amin’ny toerany. Tsy nisy nanapaka anefa ilay jiro rehefa antoandro fa dia mitohy mirehitra eo ihany. Rehefa nanontaniako indray ny filoham-pokontany Andravoahangy IVB-IVC dia nilaza fa sao dia fanahy iniana arehitra ilay izy , na sao misy disadisa eo amin’ny kominina sy ny JIRAMA ka at no no ialana vonkina. Koa IZA NO DISO IZA NO MARINA? Ny marina aloha izao dia ho be ny vola hivoaka amin’ny kitapom-bolan’ny kominina misahana ireto fokontany ireto e. Dia mazava ho azy fa hisy fiantraikany amin’ny kitampom-bola tokony mba hiasan’ny fokontany koa izany tranga izany. Izay no anton’ilay lohateny INDROA MAHITA NY MAIZINA, satria rehefa avy niaina ny tsy fisian’ny fahazavàna amin’ny alina, teo aloha, dia tsy maintsy hamoaka vola be indray aty aoriana. Aiza ilay fiofanan’ny sefom-pokonany e? Ary aiza ny maha-matihanina ny orinasa ttomponandraikitra e?

Rimorimo

Mbola tsy afaka tao an-tsain’ny mponin’Itaosy akory ilay zazavavy kely nofisahan’ny kamiao noho ny hateren’ny lalana. Ny antony moa dia feno mpivarotra ny trotoirs. Nihafihafy be ilay zaza,hono, niaraka tamin’ny reniny nadeha tamin’ny sisin’ny trotoir. Nibolisatra tampoka anefa ilay zaza ary tonga dia ny tratrany manontolo no notetezin’ilay kamiao. Ny sary entiko aminao indray anefa dia taxibe 163 nirimorimo vao maraina ka nandona olona teo Ambatomitsangana. Tsy io irery no manao toy izany fa rehefa taxiben’Antananarivo. Maika ny hanenjika mpandeha sy tsy te ho maty tour. Angamba navesatra mihitsy ho an’ilay olona sy ny fianakaviany ny nieritreritra hoe, hivoaka hamonjy asa no anton-dia,nefa hopitaly no nivantanana. Mba rahoviana no ho voaaro izahay mpandeha an-tonotra e? Indrindra fa izahay mandeha amin’iny lalan’Antanimena iny?

 sunp0001.jpg

Teny ratsy

Gaga be aho nahita raiamandreny sy zanaka miresaka. Resaka tsotra mihitsy an. Tsy misy tezitra fa toy ireny olona mifanakalo hevitra ireny, nefa dia toy ny rano midina ny teny ratsy ampiasain’izy telo mianaka. Asa izay mitranga raha sanatria ao anaty hatezerana ireto olona ireto no miresaka fa tena tsy zakan’ny mpifady henoina ny fomba firesany. Dia mikororosy tokoa ny fianakaviana raha toy ireny an!

Mitsikia foana ho’aho

Manana trano ao Ambohimandroso Ambohimanarina ny raiamandreniko. Tsy tiako loatra anefa ny mandeha lava any noho ny fahitako ny fahorian’ireo ankizy mipetraka manodidina ny tanananay. Tsy mba misy rano fisotro tonga mantsy ao, no sady koa tsy mba misy fivoahan-drano maloto (évacuation). Indray andro niresaka momba izany tamin’ny lehiben’ny Fokontany i Dada, satria hanao lalankely teny an-toerana ny projet Seecaline. Natsipin’i Dada taminy ny tokony hanararaotana io asa io indray mandeha tonga dia sady lalankely no asiana tatatra fanariana rano maloto amin’ny sisiny. Dia namaly ingahy filoham-pokontany fa aleo ho asa manaraka izany, fa tsy atao amin’ity indray mitoraka ity. Tezitra be i Dada fa tsy nety resy lahatra mihitsy ilay iraika lahy. Hoy mantsy i Dada mantsy azy: » dia aleonao izany ny Fokontany iadidiana tsy handroso toy izao foana? Jereo anie fa lany andro mandeha mantsaka ny ankizy sy ny vehivavy , rehefa maraina e! Dia mitaona ny rano maloto nangonina nandritry ny andro indray rehefa hariva. Mihena ny fotoana ahafahana mikarakara tokantrano sy manao fianarana. Ferana koa ny fandaniana rano, dia mitombo ho azy ny loto, sy ny tsy fahasalamana mazava ho azy. Izany ve no Fokontany tianao holovain’ny taranaka? Mba mieritrereta rangahy ity ah! » Dia namaly tsotra ingahy filoha fa aleo,hono, hataon’ny ao aoriana fa manjary tsy misy asa atao intsony.

Mba rahoviana re vao hivoatra Ambohimandroso Ambohimanarina e? Jereo anie ireto sary asehoko anao manaraka ireto e! Feno loto ny tanana, mifanakaiky ny fanariam-pako sy ny fivarotana ary ny hotely kely madinidinika isan-karazany

sunp0007.jpg.

Nefa na dia izany aza, mbola miezaka ny hitsiky ihany ny kilonga Malagasy kelinay

sunp0013.jpg.

Ntsôôôôô reto izy handeha hilahatra rano eny amin’ny paompin-drano iraisana. Anjaranao mamaky no mijery ny halavan’ny laharana sy ny isan’ny seaux mifanosontsosona eo

sunp0014.jpg

.