Anisan’ny voaasa hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ny Vovonana Iraisam-pirenena (Sommet Mondial) an’ny Global Voices ny tenako, izay hatao ny 6-9 May ho avy izao, ao amin’ny Tranom-bokin’i Santiago .
Global Voices moa dia vohikala iray mpampita vaovao maneran-tany, amin’ny tenim-pirenena 18, ary anisan’ny iray amin’ireo Malagasy maneran-tany mandray anjara amin’ny fandikàna teny (anglisy->malagasy) ao aho.
Ny foto-kevitra amin’ity taona ity dia « Ny Fampielezam-baovaon’ny taranaka ho avy, ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay sy ny fahafahan’ny olom-pirenena mahazo izany » (Next generation citizen media, public access and citizen participation) Ho hita ao avokoa ny mpitoraka blaogy, mpanao gazety, mafana fo, sy mpandray anjara amin’ny GV , ary ny maro tsy voatanisa. Misy ny mpianatra, misy koa anefa ny tsy an’asa nefa afaka mahazo sy mampiasa ny aterineto an-kahalalahana any amin’ny tany niaviany.
Voalohany hanatrehako « Vovonana Iraisam-pirenena » moa ity, no sady voalohany ihany koa handehanako fiaramanidina sy handehanako any ivelany. Niteny tamiko avokoa izay rehetra mahalala hoe « Sambatra akia indry ho any an-dafy! » ka raha noteneniko izy ireo hoe « matahotra aho » dia namaly izy hoe « Zaran-dry aza mba mankany! » Marina tokoa izany, nefa tsy hiala sasatra akory na hitsangantsangana no handehanako any, fa zava-dehibe mihoatra lavitra noho izany. Tsy vitan’ny hoe ho « mpandray anjara » fa ho « mpisolo tena ny firenena ». Somary matahotra ihany koa satria mbola tsy niresaka tamin’olona tamin’ny teny anglisy mihitsy aho hatramin’izay (raha tsy hoe tamin’ny taranja anglisy tany am-pianarana, sy tamin’ilay Vazaha teo amin’ny Service des Visas-n’ny Masoivoho Frantsay izay « nanadina » ahy). Any amin’ny « Blue Tree Hotel Fundador » izahay no mivantana, ka vehivavy Kolombiana no miray efitra amiko. Ary raha ny filazany (tao amin’ny blaoginy) dia tsy dia mahay miteny anglisy koa izy, saingy havanana amin’ny teny Espaniola. Fotoana ho anay roavavy izany io mba hanaovana « fampiharana ». Ho ahy dia « Sommet » voalohany io, fa izy kosa efa nandray anjara tamin’ny Vovonana Iraisam-pirenena tany Budapest tamin’ny 2008.
Araka ny fitsipika mifehy, tsy afaka misafidy izay ho olona hiray efitra aminao ianao (raha tsy hoe misy antony manokana), fa atao antsapaka. Miparitaka araka izany ny olona iray firenena niaviana, ary na eo aza izany, dia ny lahy samy lahy no miray efitrano, ary toy izay koa ny vavy samy vavy no mitambatra efitra. Inoako fa dia hahafinaritra tokoa izany hoe olona tsy mifankahalala sy tsy dia mifankahazo teny izany no hiara-monina mandritry ny herinandro iray eo ho eo. Ny fifangarona sy ny fifampizarana traikefa rahateo no tanjon’ny Global Voices amin’ny fikarakarana zavatra toy izao.
Eo am-panomanana ny dia moa izahay amin’izao fotoana izao, rahampitso (alatsinainy 3 may) amin’ny 1ora maraina no miainga.
Nofinofy hatry ny ela moa ny mba hivoaka an’i Madagasikara, koa dia isaorana eto avokoa ireo izay nanampy tamin’ny fanatontosana izany.
Raivo Said:
on mai 14, 2010 at 5:24
Faly miarahaba anao.
Nanao ahoana ny dia? Nanao ahoana ny fihetsim-ponao nandray fiaramanidina voalohany sady ora lavalava ihany. Nataonao toy ny olona efa zatra niteny Anglisy ve ianao? Nanao ahoana koa ny fahitanao ilay Kolombianina niray efitra taminao? Tsy mitovy ny fomba sy ny fiaviana fa samy tsara e! Aza fady raha efa nanoratra ny dia nataonao ianao fa izaho no tsy nahita. Mamaky ary variana foana aho mamaky ny fandikanareo teny eto. Misaotra.
Fcandy Said:
on mai 15, 2010 at 11:34
Nahafinaritra be ny dia, mety mbola ho tantaraina eto ihany fa ny fotoana no tsy ampy. Nahitàna zavatra be dia be, na dia hoe notazanina avy tany anaty fiaramanidina ihany aza, satria kontinanta telo be izao no avy dia hitako: Afrika, Eoropa ary Amerika.
Ny resaka teny anglisy…tsy dia nanano sarotra loatra, taty no natahotra fa rehefa tonga tany tsy naninona intsony, rehefa nody indray aza no nanahirana, satria toa te-hiteny anglisy lava, ary na ny tanana aza dia nivadika « querty » mihitsy!! Ny « clavier » tany mantsy « querty » espaniola, ka nila nizatra. Hany ka nony tafody dia nila nianatra « azerty » indray!! hahaha
Ilay mpiray efitra tamiko? mahafinaritra izy. Tsikitsiky lava, tia miresaka sy maneho ny heviny, ary mahay mitantara! Gaga aho raha nihaino/nijery azy indray andro, nitantara ny zavatra nataony niaraka tamin’ny namany iny andro iny. Tadidiny avokoa ny fihetsiny rehetra.
Mbola ho avy eny ihany ny tohiny rehefa misy fotoana aho e!
Jelona Said:
on juin 9, 2010 at 4:33
Mahafinaritra ny mahita activisme toy izao. Mamporisika hatrany ho fampiroboroboana ny média citoyen eto M.kara
Rapiera Tsilavo Said:
on mars 30, 2011 at 5:13
Manahoana ô!
Hitako fa tena mahay manoratra ianao ary tena talentanao tokoa ngamba izy io, tsoriko anefa fa tsy voavakiko hatramin’ny farany ny voasoratrao eo ambony (mialatsiny) fa mapirisika anao anoratra foana e!!! Mahafinaritra!
Mandra-pihaona ô!!