Rimorimo

Mbola tsy afaka tao an-tsain’ny mponin’Itaosy akory ilay zazavavy kely nofisahan’ny kamiao noho ny hateren’ny lalana. Ny antony moa dia feno mpivarotra ny trotoirs. Nihafihafy be ilay zaza,hono, niaraka tamin’ny reniny nadeha tamin’ny sisin’ny trotoir. Nibolisatra tampoka anefa ilay zaza ary tonga dia ny tratrany manontolo no notetezin’ilay kamiao. Ny sary entiko aminao indray anefa dia taxibe 163 nirimorimo vao maraina ka nandona olona teo Ambatomitsangana. Tsy io irery no manao toy izany fa rehefa taxiben’Antananarivo. Maika ny hanenjika mpandeha sy tsy te ho maty tour. Angamba navesatra mihitsy ho an’ilay olona sy ny fianakaviany ny nieritreritra hoe, hivoaka hamonjy asa no anton-dia,nefa hopitaly no nivantanana. Mba rahoviana no ho voaaro izahay mpandeha an-tonotra e? Indrindra fa izahay mandeha amin’iny lalan’Antanimena iny?

 sunp0001.jpg

7 commentaires »

  1. sipakv Said:

    Fcandy an
    Mahafinaritra hoa ity blaoginao ity fa tena hita mihitsy hoe toa inona ny miaina any Antananarivo amin’ny sary alefanao, sy ny lahatsoratra miaraka aminy. Tena izao tokoa ilay atao hoe « journalisme citoyen »
    Dia mirary soa ho anao amin’ilay fanadinana o. Ary misaotra mizara aminay.

  2. fcandy Said:

    Mivavaha ho ahy mba hahavita soa ny fanadinana e!
    Ahoana moa no tsy hitranga ny loza. Ireo fiara mameno ny sisin’ny arabe amin’ny sary ireo izao dia fiara amidy (à vendre) daholo. Sady lasa toerana filalaovana izany ny arabe, no fivarotana fiara sy enta-madinika ary koa toeram-ponenan’ny 4’mi. Androany aho izao nahita tamin’ny gazet fa hay tamin’ny lalan’Antanimena iny nisy 4’mi nisitrika naka zavatra ato ambany taxibe nijanona nandray olona. Tsy hitan’ny olona tao anaty fiara mihitsy hoe nisitrika tany izy, dia nony tafakatra ny mpandeha, dia nalefan’ny mpamily ny fiara. Maty voahitsaka tao koa ilay 4’mi kely (4 taona, hono ilay izy). Be olona be koa anie iny Antanimena iny e! Iny foana no lalanay rehefa mandeha mianatra any amin’ny CEG.

  3. news2dago Said:

    ny ahy dia ity taxibe tsy mahay manaja mpandeha ity no hanindriko ny lahatsoratra avoakanao eto satria dia tena mampatahotra mihitsy ny fandehan-dry zalahy na zotra aiza io na aiza manao vodihazo mantsy dia mifandranitra ny mpanampy na resevera dia raikitra @ izay ny ralia mandram-pahariva ny andro dia izay foana no iainan’ny mpandeha ! ra izy anie no maty @ loza adalany ny azy fa ny indro kely dia ny tsy manatsiny foana no voa @ izy itony!
    sady tsy mba mahay manaja olona ry zalahy e!

  4. Rondro Said:

    Ity blaogy ity marina no hahafahana mahita ny fiainan’ny olona aty M/kara ho an’izay lavitra. Mahafinaritra mihitsy !
    Ny tiako ho tsindrina eto dia @ maha renim-pianakaviana ahy dia tena nanaitra ahy ny nanjoan’ilay zaza notatanan’ny reniny. Asa raha aiza no ahahafahana manamafy hoe ny zaza rehefa tatanana eny @ trottoir dia tokony ho @ sisiny misy ny trano fa tsy ny sisiny misy ny arabe no tokony ho tatanana izy. Raha toa moa ka eny @ arabe (satria ny tsy fahampian’ny trottoir koa no tena olana aty Tana) dia ny tsara indrindra dia ny mitrotro azy satria ny zazakely tsy hitan’ny fiara. Raha toa izy ka tantanana dia tokony ny olon-dehibe foana no eny @ sisiny misy ny arabe.
    Betsaka ny olona, ary ny fahatsapa-tenan’ny tsirairay amina hetsika madinika hoatr’ireny no ahafahana misorona tsikelikely ny loza.
    Dia mirary soa amin’ny rehetra dia ho vita soa aman-tsara anie ny fanadinana

  5. fcandy Said:

    Ilay teny Itaosy aloha, hono, araka ny fanampim-baovao azoko dia toe efa folo taona mahery ilay zazavavy.
    Alefako aminareo eto amin’ny manaraka fa ny sisin’ny arabe aty akaikinay dia lasa fivarotana fiara occasions

  6. sipagasy Said:

    Ary mba inona ny ataon’ny commune hanatsarana izany izao???? sa dia miandry ‘loza’ hitranga maroa vao handray fepetra?

  7. […] passées ou présentes dans le taxibe comme le font si bien nos amis Sasa et Fcandy du Foko Blog Club ou Pissoa de Johburg. Ce serait une opportunité pour se donner des […]


{ RSS feed for comments on this post} · { TrackBack URI }

Votre commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l’aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion /  Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l’aide de votre compte Facebook. Déconnexion /  Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :