Andavabiby – lentan’ny sarimihetsika malagasy

Sary mihetsika iray tsy toy ny mahazatra no entina amintsika androany, dia ilay sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe Andavabiby.

Tantara nosintonina avy amin’ny tantaran’Andrebabe izy ity, efa mahazatra ihany hoy ianao? Tsia. Tsia satria manana ny mampiavaka azy manokana Andavabiby, dia noho izy mampifangaro ny « virtuel » sy ny tena izy, indrindra noho ny fananany « décor 3D ». Izy no sarimihetsika gasy voalohany misy « effets spéciaux » toa izany. Eo ihany koa ny resaka teknolojia avo lenta ao aminy, manaraka toetr’andro avokoa ny fitaovana ampiasain’ireo mpilalao ao amin’ity sarimihetsika ity. Ny feo (background music) koa tsara dia tsara.
Izaho manokana aloha dia variana tokoa nijery, tamin’ny nandefasana azy voalohany tamin’ny 3 Aprily lasa eto. Raha tsy teny gasy sy tsy mpilalao gasy angamba no hita tao dia tsy fantatra mihitsy hoe vita gasy izy ity. Na ny sary na ny feo samy tsara avokoa. Tandremo fa mahay koa isika Malagasy an!😉

I Thierry Andrianasolo no nanoratra sy namokatra azy io, mpamokatra sarimihetsika sady « infographiste 3D », efa malaza eran-tany amin’ny fanaovana « motion-comics ». Ny feo kosa dia i CID no namokatra azy.

Mbola hisy indray ny fandefasana azy ity ny 11 Jolay 2011 amin’ny 10 ora, ao amin’ny Madagascar DLC Anosy, tsy misy vidim-pidirana. Hisy ihany koa ny « fampianarana 3D » tontosaina ny 11 hatramin’ny 23 Jolay.

Dia manentana antsika rehetra mba ho tonga hijery azy io fa tsy ho diso fanantenana ianao, no sady ho fanohanana ny vokatra Malagasy. Ny any Allemagne sy Canada aza izao efa misy ny namana tsara sitra-po manohana ny fivoahana sy fandefasana azy io any an-toerana

4 commentaires »

  1. ikalamako Said:

    misaotra nampahafantatra !!!!

  2. Valisoa Said:

    Misaotra indrindra mampahafantatra ny kolotsaina Malagasy!🙂

  3. gazetyavylavitra Said:

    Dia miandry ny rehetra hanohana ny vita Malagasy izany e.
    Aza atao toy ilay teny Anosy (podium), ka nony injay ny hira Vakodrazana sy ny toa azy no niaka-tsehatra dia siotsioka tsy fanjkasitrahana no nanadilo ny sofina. Mba ho afaka hirehareha amin’izay isika Malagasy fa nahay nivoatra, ary nahavita toy ny vazaha. Misaotra Thierry Andrianasolo a! Mankasitraka ny mpilalao rehetra ao anatiny koa

  4. milakory Said:

    manohana tanteraka ireo ezaka rehetra e, tsapa mihitsy ny fotoana rehetra lany nanefena an’izao sarimihetsika 3D izao…😉


{ RSS feed for comments on this post} · { TrackBack URI }

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :