INDROA MAHITA NY MAIZINA

INDROA MAHITA NY MAIZINA Zavatra nahavaka ny sain’ny mponin’Andravoahangy Ambatomitsangana nanomboka ny fiandohan’ny volana Mars ny tsy fahafatesan’ny jiron’ny JIRAMA teny amin’ny andrin-jiro na andro na alina. Talohan’io dia toy izao ny zava-nisy. Amin’ny antoandro no mirehitra ny jiro, ary dia maty sy tsy misy hazavana rehefa alina. Mifamadika tanteraka amin’izay tokony ho izy. Rehefa nilazàna ny tao amin’ny JIRAMA dia nijery ary nilaza fa simba ny fitaovana mpibaiko tena mitondra azy io, ho an’ny fokontany roa (Andravoahangy andrefana sy atsinanana) ary ny manodidina azy akaiky. Tapa-bolana lasa ary izay dia notsoahan’ny JIRAMA ary ilay fitaovana. Dia nirehitra tsy nijanona teo ny jiro, na andro na alina.

 sunp0001.jpg

Rehefa niantso tany sy nandeha nandoa vola tany ny Sekoly iray sy ny mponina vitsy tety aminay dia nilaza ry zareo fa efa nomeny fiofanana ireo filoham-pokontany roa voalaza etsy ambony mba hahafahan’izy ireo manapaka ny herinaratra mandrehitra ireo jiro rehefa mazava ny andro. Ary tsy maintsy ho voapetraka ny solon’ilay fitaovana, na ilay izy avy namboarina, hatramin’ny sabotry 22 mars izao raha tara indrindra satria mbola lasa nanaraka fiofanana koa, hono, ilay zalahy mpametaka azy amin’ny toerany. Tsy nisy nanapaka anefa ilay jiro rehefa antoandro fa dia mitohy mirehitra eo ihany. Rehefa nanontaniako indray ny filoham-pokontany Andravoahangy IVB-IVC dia nilaza fa sao dia fanahy iniana arehitra ilay izy , na sao misy disadisa eo amin’ny kominina sy ny JIRAMA ka at no no ialana vonkina. Koa IZA NO DISO IZA NO MARINA? Ny marina aloha izao dia ho be ny vola hivoaka amin’ny kitapom-bolan’ny kominina misahana ireto fokontany ireto e. Dia mazava ho azy fa hisy fiantraikany amin’ny kitampom-bola tokony mba hiasan’ny fokontany koa izany tranga izany. Izay no anton’ilay lohateny INDROA MAHITA NY MAIZINA, satria rehefa avy niaina ny tsy fisian’ny fahazavàna amin’ny alina, teo aloha, dia tsy maintsy hamoaka vola be indray aty aoriana. Aiza ilay fiofanan’ny sefom-pokonany e? Ary aiza ny maha-matihanina ny orinasa ttomponandraikitra e?

5 commentaires »

  1. vaomiera Said:

    Ny olana anie dia tsy ho voavaha eo @ fokontany ny tsy fahampian’ny herinaratra e!
    Tsy maintsy ny governemanta mitsy no mandray andraikitra.
    Aza kivy e: tsiky dia ampy🙂

  2. Mirana Said:

    Tena BRAVO beee @ ilay blog eee🙂 ohatran’i mamaky gazety pro mihitsy zahay aty !

  3. fcandy Said:

    vaomiera> Ka ilay izy anie tsy hoe ilàna fanjakana raha ny fahitako azy e! Fa ilay fandraisana andraikitra aty ifotony mihitsy no tsisy. Ny jiro efa eo fa ny fitantanana azy no tsy amin’ny tokony ho izy.

  4. ikalamako Said:

    fa angaha mila fiofanana koa vao afaka mampandeha sy mamono ilay jiro aloha eo am-piandrasana ny olona havanana amin’izany e…Izany ve tsy efa filàna ankisa tokoa ?!
    izay ilay hoe ny toe-tsaina mihtsy no lomorina mila fanamboarana.

    (tena mahavoa tsara ilay blaogy r’ise fa lasa izao a, mahavità be !

  5. tomavana Said:

    > Fa ilay fandraisana andraikitra aty ifotony mihitsy no tsisy. Ny jiro efa eo fa ny fitantanana azy no tsy amin’ny tokony ho izy

    Mitovy hevitra aminao fa ohatry ny misy andrasoandraso be tokoa izany raharaha izany😦


{ RSS feed for comments on this post} · { TrackBack URI }

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :