Ty lozanao ry Ivan!

Loza tokoa no naterak’iny rivo-doza Ivan iny satria saika ny renirano rehetra dia niakatra daholo ary Ikopa aza dia tondraka mihitsy. Hita izany manomboka eny Tanjombato ka hatrany Anosizato, mandalo ny tetezan’Ampasika ka hatrany Ambohitrimanjaka. Raha ny eny Tanjombato ohatra dia avo dia avo tokoa ny rano ka mandifotr’olona. Ny sasany aza moa dia voatery nifindra trano mihitsy satria tonga hatreny am-baravarankely ny rano. Ny moron-drano fanasana lamba taloha dia tsy misy intsony amin’izao fotoana izao. Ny tetezana eny Tanjombato koa kely sisa dia ho tratry ny rano satria 1metatra sisa no manasaraka azy ireo amin’izany. Raha eo amin’ny lafiny fahadiovana indray no resahina dia azo lazaina fa lasa maloto ny tanànan’Antananarivo. Hatramin’ny ranon’ny JIRAMA tonga any an-trano aza dia miloko maitso. Nanambara ampahibe-maso anefa ity farany fa tsy misy atahorana eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana izay loko maitso izay fa vokatry ny fahatapahan-jiro sy tsy fandehanan’ny milina mpampakatra rano ho anay anaty fantsona nandritry ny fandalovan’iny rivo-doza iny. Fotsy mangatsakatsaka ny rano teo aloha. Mampanantena anefa ny JIRAMA fa tsy haharitra ela dia hiverina toy ny taloha io resaka rano io.
Mba hanao ahoana izao ny momba ilay écrevisse marbrée izay natahorana mafy ny fianahany, nefa ankehitriny ny rano mitobaka eran’ny tanana, ary inoana fa efa betsaka no lasan’Ikopa nidina any amin’ny faritra maro any? Tsy maintsy efa ho niparitaka amin’ny faritra maro mantsy izao izy ireny noho ny tondra-drano etsy sy eroa. Mbola mijanona ho fanontaniana tsy misy valiny aloha izany hatramin’izao. (ao anaty aquarium-anay misy!!)

2 commentaires »

  1. Rondro Said:

    ndao isika hifanome tanana. Ampitapitao ao @ tanana. Izay fohy. Na vary iray kapoaka aza.

  2. Avylavitra Said:

    Kay! kay! kay! Hay navoakan’ikalakely aty ilay orana natao echantillon ao anaty aquirium! Nalaina hijerena ny fomba fiainany izy ireo ary dia hita fa tena mafy aina be. Tami’ny 10 janvier 2008 tany no narotsaka tao. Ary hatramin’izay dia tsy nomena hanina afa-sty tahom-bary telo na efatra teo. Ny isany anefa misy fito lehibe. Fa mbola matanjaka be sy tsy misy maty hatrizao. Tena mitimbina ny ahiahinao ry Fcandy.
    Rondr> efa mandeha ny fifanomezan-tanana k’ah. Na ny samu Malagasy na ny vahiny avy any ivelany. Eny fa na dia ny fampiantranoana ny tsy manankialofana aza dia efa fandraisan-tanana. Fa ny olana dia ity. Misy ry zalahy teny ambany tetezana sy ny arcade no nanararaotra niditra trano lay haingana talohan’ny tena tra-boina. Tsy hita moa fa dia samy Malagasy e!


{ RSS feed for comments on this post} · { TrackBack URI }

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s

%d blogueurs aiment cette page :