Aza atao valalan’amboa

Vao tsy ela izay ny vondrom-panabeazana ACEEM no nanatontosa fifaninanana tsipelina tamin’ny tenim-pirenena telo, dia ny Malagasy, ny Frantsay ary ny Anglisy, mpianatra manodidina ny 900 no nandray anjara tamin’izany. Tsikaritra tokoa ankehitriny fa verivery ny fikajiana ny tsipelina, na amin’ny teny gasy io fa indrindra amin’ny teny vahiny. Ny momba ny teny malagasy aloha dia efa fahitako matetika ihany, na ny olon-dehibe aza toa tsy dia mahafehy azy loatra intsony, fa raha vao nanomboka azon’ny ankizy ity manao club sms ity dia lasa izao! Tsy voafehy intsony koa ny tsipelina frantsay. Tsy tokony atao antsirambina anefa ny tsipelina satria tahaka ny mamono sy manimba ny teny ny tsy fanajàna azy, ary tsy fanajàna ilay tenim-pirenena ihany koa. Moa tsy mahamenatra ve izany hoe tsy hajaintsika ny tenim-pirenentsika nefa ny teratany vahiny aza tonga eto mahavita mianatra teny malagasy?Tsy tokony avelantsika ho fatin’irony « kikoolol » irony ny tenim-pirenentsika, satria rehefa ela ny ela, mety ho adino hatramin’ny tena fanoratra ny teny aza, amin’izao fotoana izao dia maromaro ihany ny olona tsy mahay manoratra ny teny hoe « Arahabaina » fa dia « Arabaina » no soratany, sy ny hoe Ampasampito, fa ataony hoe Apasapito, Ambohitraraba raha tokony ho Ambohitrarahaba. Olon-dehibe io an! Sady mitàna toerana ambony ihany eo amin’ny fampianarana. Amin’ny fomba ahoana moa no hampitàna izany hafatra izany amin’ny tanora, raha ny tokony hampita azy aza tsy manàja azy? Tadidio ilay fitenintsika hoe « Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko. » Tsaroako eto ny fotoana nivahinianako tany ampita: tsy mieritrerira ny hampiasa teny afa-tsy ny azy ireo teratany tao amin’ilay firenena nivahiniananay satria efa teny iraisam-pirenena ny azy. Tokony ho sarotiny amin’ny tsy maintsy hianarana sy hampiasàn’ireo vahiny sary monina eto Madagasikara ny teny Malagasy koa isika. Fa tsy isika indray no hanao azy ho toy ny valalan’amboa. Sanatriaviko anie izany.

Laisser un commentaire