Manana trano ao Ambohimandroso Ambohimanarina ny raiamandreniko. Tsy tiako loatra anefa ny mandeha lava any noho ny fahitako ny fahorian’ireo ankizy mipetraka manodidina ny tanananay. Tsy mba misy rano fisotro tonga mantsy ao, no sady koa tsy mba misy fivoahan-drano maloto (évacuation). Indray andro niresaka momba izany tamin’ny lehiben’ny Fokontany i Dada, satria hanao lalankely teny an-toerana ny projet Seecaline. Natsipin’i Dada taminy ny tokony hanararaotana io asa io indray mandeha tonga dia sady lalankely no asiana tatatra fanariana rano maloto amin’ny sisiny. Dia namaly ingahy filoham-pokontany fa aleo ho asa manaraka izany, fa tsy atao amin’ity indray mitoraka ity. Tezitra be i Dada fa tsy nety resy lahatra mihitsy ilay iraika lahy. Hoy mantsy i Dada mantsy azy: » dia aleonao izany ny Fokontany iadidiana tsy handroso toy izao foana? Jereo anie fa lany andro mandeha mantsaka ny ankizy sy ny vehivavy , rehefa maraina e! Dia mitaona ny rano maloto nangonina nandritry ny andro indray rehefa hariva. Mihena ny fotoana ahafahana mikarakara tokantrano sy manao fianarana. Ferana koa ny fandaniana rano, dia mitombo ho azy ny loto, sy ny tsy fahasalamana mazava ho azy. Izany ve no Fokontany tianao holovain’ny taranaka? Mba mieritrereta rangahy ity ah! » Dia namaly tsotra ingahy filoha fa aleo,hono, hataon’ny ao aoriana fa manjary tsy misy asa atao intsony.
Mba rahoviana re vao hivoatra Ambohimandroso Ambohimanarina e? Jereo anie ireto sary asehoko anao manaraka ireto e! Feno loto ny tanana, mifanakaiky ny fanariam-pako sy ny fivarotana ary ny hotely kely madinidinika isan-karazany
Nefa na dia izany aza, mbola miezaka ny hitsiky ihany ny kilonga Malagasy kelinay
Ntsôôôôô reto izy handeha hilahatra rano eny amin’ny paompin-drano iraisana. Anjaranao mamaky no mijery ny halavan’ny laharana sy ny isan’ny seaux mifanosontsosona eo
avylavitra Said:
on décembre 23, 2007 at 2:23
Tena mbola be ny tokny hovana e! Na teo-tsaina io, na ny manodidina iainana fotsiny koa.
sipakv Said:
on décembre 23, 2007 at 5:01
Tiako be ity lahatsoratrao ity. Manaitra tokoa ny fahoriana sy fahasahiranana. Kanefa tsiky sy fanantenana tokoa no hita amin’ny tarehin’ny ankizy. Ary ilay seau bedia be milahatra eo amin’ny pompe e ! Eeeee.
avylavitra Said:
on décembre 27, 2007 at 10:32
Tena mampanontany tena tokoa ny fako eraky ny tanàna an. Nefa moa efa niteny ny ben’ny tanàna Andry TVG fa tsy maintsy madio Antananarivo alohan’ny faran’ny taona, ka dia izay no iriantsika. Inay anie aho zazakely, dia mba mitsiky foana, fa tsy hakentron’ny asa isan’andro izao. hihihi. Taolana ho’aho ny nify eeee!
tomavana Said:
on décembre 29, 2007 at 11:20
Rohy nomen’i Jentilisa no nitarika ahy eto.
Faly mamaky ny lahantsoratrao dia miarahaba tongasoa eto amin’ny blaogasifera
dotmg Said:
on décembre 31, 2007 at 5:03
Izany ve hono no nampianarina an’ireny sefo fokontany ireny tany Iavoloha?
« ♫♪ Izahay Sefo Fokontany, … ♪♫ »
fcandy Said:
on décembre 31, 2007 at 5:35
dotmg> Niverina teny zahay sy dadanay omaly 30 desambra, fa he he he. Mbola ao foana ilay fako amin’ny sariko io, nefa efa ho iray telo herinandro no teo. Masiso be ilay izy fa tratry ny orana eo foana tsinona. Ny fiara efa mibolisatra eo ambony fako rehetra hianika amin’io fiakarana ho any amin’ny fiangonana Alfa sy Omega Ambohimandroso io. Tsy te ho eo amin’ny toeran’ireo olona mipetra sy monina eo amin’ny manodidina eo aho, fa tena tsy laitra ilay fofona.
Mirary fetin’ny faran’ny taona mahafinaritra sy taona 2008 feno ny soa sy ny tsara rehetra ho antsika aho
jogany Said:
on décembre 31, 2007 at 10:21
zao v lé hoe tsy nahita inspiration ???
BONNE ANNÉE ET BISOUX BE!
ravatorano Said:
on janvier 2, 2008 at 7:13
hitako mihitsy io toerana io
mahagaga tokoa ny ati-dohan’ireny sefo pokotany ireny tsy mba manana saina mivelatra ilay ranamana izany fa dia mikombon dava tsy mijery ny lavitra
marina tokoa ny hoe inona marina no nataony teny Iavoloha ? izany v no fianarana momba ny leadership nataony teny sa kosa ny sainy mihitsy nbo tena efa tery
mahagaga ihany
ny olona toy ireny no manimba ny fandrosoana eto amitsika ary hita ho misy fiantraikany amin’ny fanmpivoaram pirenena ilay izy, ny olona toy ireny ihany koa no mahatonga ny fitondrana ho mihamaivana ny fanajan’ny vahoaka azy satrai ny fitondrana foibe dia solon’ireny sefo pokotany ireny tena eny anivon’ny vahoaka valala be mandry tsy mandady harona ka raha ratsy fiazsa ireny dia ho toy izany ihany koa no fiheveran’ny vahoka ny fanjakana foibe
stephane Said:
on janvier 7, 2008 at 12:10
misaotra betska anao fcandy taminy zavtra nasehoano anay mpamaky fa ny fasahina sy ny finiavana mamoaka article ohatran’izao no tena ilain-tsika aty aminy firenena andalam-pandrosoana ary dia mamporisika hatrany oe tohizo fa tsar dia tsara tokoa ny zavtra tahaka izao.
ny tiako kely tenenina fotsiny dia oe mila education civique io sefom-pokontany io fa maha menatra.
Rondro Said:
on janvier 14, 2008 at 3:14
Miarahaba an’i fcandy ary mirary soa ho antsika rehetra amin’ity taona 2008 ity.
Toe-tsaina. Io no teny hitako mibahan-toerana rehefa nahita ny sary ary namaky teny sasatsasany. Mbola mila ezaka marina. Mbola ho ela ve ? Asa ! Isika hono firenen’ny « mora mora « . Anjarantsika no mandiso na manamarina izany.
Fa raha ny fahitako azy, tsy tokony ho tezitra dadanao raha niresaka t@ ilay sefo fokotany. Samy manana ny fomba fiainany ny olona. Sarotra ny miala amin’ny mahazatra. Tsy tokony ho kivy koa anefa fa raha ilaina izany dia iverenana im-polo, in-roa polo, araka izay ilaina ilay sefo fokotany fa mety ho tonga saina ihany izy ny afarany. Mety « hisokatra » ny masony rehefa ela ny ela.
Firenena voazanaka isika (ary mbola voazanaka satria mievitra isika fa ny any ivelany ihany no tsara indrindra), ary tsy vitan’izany fa notolorana fa tsy mba nikaroka. Hany ka nijanona ho takaitra izany.
Ny fahitako azy, ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay no mampandroso zavatra. Hoatr’anao nandray andraikitra nizara ary nampiseho ny zava-misy aty amintsika, mety ho fandraisan’andraikitra ihany koa ny mandresy lahatra an’ilay sefo fokotany. Miezaka ny tsy ho kivy raha mila fotoana maharitraritra kokoa ny manao an’izany fa tena mitsika ( fa tsy hoe miezaka) hoatr’ireo ankizy. Mitsikia foana ho’aho 😉
fcandy Said:
on janvier 15, 2008 at 4:37
Faly be aho fa nahita fitohanana fiara betsaka be teo aloha kelin’ny toerana nakàna ilay sary (fako), fa hay ny antony hoy ‘nareo: tonga tao afak’omaly ny fiaraben’ny commune naka ilay fako. Efa madio sy tsy maimbo intsony izao ao. Tsy taty amiko ny fakàna sary fa raha tsy izany dia nalefako taminareo ny sarin’ny toerana voadio. Mba hitohy foana anie ny fahadiovany sy ny tsikin’ireo ankiziko amin’ny sary!
sipagasy Said:
on janvier 29, 2008 at 5:15
tena mahavariana raha @ izao fotoana izao no mbola misy ihany ny tahaka izoa annn, olona hafa indray fidiana ho lehiben’ny fokontany e!!!!!
tohizo hatrany letsy ny ezaka annn, mahafinaritra be ny mamaky ny asa soratrao e!
maintikely Said:
on janvier 30, 2008 at 9:34
arahaba
tsy any ambohimanarina ireny no ohatran’io, fa ao koa isotry, antohomadinika, 67ha, tentezan’i bekiraro sns
dia madio indray ny tanàna dia ny eny andralanitra indray no tena mampalahelo 😦
Vola Said:
on mars 2, 2008 at 4:28
Selon le magazine Forbes, Tana est la 3eme ville la plus sale du monde, oups… Bon les responsables du Fokontany, va falloir retrousser ses manches!
http://www.forbes.com/2008/02/26/pollution-baku-oil-biz-logistics-cx_tl_0226dirtycities.html
ikalamako Said:
on mars 5, 2008 at 11:05
fa any amin-dr’i harilova koa misy fako amin’ny taonina an 😛 fa ny vola hetram-pako alohan’ny mponina lanin’ny ao ambony …angamba
Mampahatsiaro anay taloha teny amin’ny texas ilay milahatra paompy. Izay mihanahana tsy mampandroso amin’io tonga dia tratran’ny « fenoy ny banga » tsy misy indrafo an !
kristina Said:
on août 11, 2008 at 5:40
these pictures make me so sad…i left 10 years ago and sometimes Madagascar feels like a far away memory when you run into pics like, it’s so easy to be rushed back in time and the reality of it all come rushing back
great blog btw!