NANAO Gymn BEPC IHANY AHO

Nanao adina ara-panatanjahantena aho tamin’ny Alarobia 14 mey 2008 teo. Vita soa ilay izy na dia nisy aza ny sampona.
Sampona voalohany: efa tany ampialana sasatra izahay ankizy vao nilazan’ny namanay mpanao cours FRAM tao amin’ny toeram-pianaranay (CEG Antanimena) fa hoe alaivo haingana ny fiantsoana anareo fa Talata 13 mey amin’ny fito sy sasany maraina dia efa misy manao Gymn. Nefa ny mpianatra amin’io Talata 13 mey io vao miverina mamonjy sekoly aorian’ny fialantsasatry ny pantekôty. Ny ahy Alarobia 14 mey tamin’ny 07 ora sy sasany maraina ny adina.
Sampona faharoa: Nony tafaverina tany an-tsekoly izahay ny Talata taorian’ny fety dia izahay indray no nobedesin’ilay Madama V… tompon’andraikitra tao an-tsekoly, hoe

« fa adala ve aho niteny taminareo hoe alaivo ny fiantsoana anareo e! nefa ianareo tsy tonga »

. Amin’io Madama V…io izany dia narenina daholo ny ankizy classe de Troisieme rehetra tao amin’ny CEG (efa ho an-jatony) ka tsy nisy nahare izay hafany izay. Dia mba lalina ihany raha vehivavy lehibe toa azy no ho sahy hilaza ny ankizy ho adala rehefa izy no tena nanao hadalana tany amin’ny toerany tany.

Sampona farany: Nanao basikety aho nandritry ny adina teny Mahamasina, ary rehefa vita izany dia lasa indray handeha hanao taranja hafa. Ny reniko ny niaraka tamiko tany tamin’io andro io. Nifampitsinjo izahay mianaka rehefa vita ny basikety, ary nifanao tazan-davitra. Loza efa ho avy anefa fa, raha iny i Neny nijery ahy iny dia noheveriny ho mila azy angamba aho ilay mitanandranandrana eran’ny kianja. Saiky hamindra ho eny amiko izy, no voafingan’ireny vy mitsangana ao an-kianja ireny, ary dia potraka tamin’ny tany. Ny tavany no nandeha mialoha ary dia naratra be tokoa manomboka ety amin’ny orony ka hatreny amin’ny ambony maso. Nentina namonjy haingana ny Croix-Rouge teo akaiky teo izy.
Tamin’ny voalohany dia tsy noheveriko ho naratra mafy izy. Fony vao avy nianjera mantsy izy dia vovoka no nihevereko ireo teny amin’ny tarehiny ka nofafako fotsiny dia lasa aho namonjy kianja. Sady manao ny adina aho no misaina izay nahazo azy nohy nahita fa hay ny tanako avy namafa azy ka nisy rà. Nanomboka teo dia tanaty tebiteby no nentiko niatrika ny adina sisa ambiny tokony ho natao, fa tany amin’izay niafaran’i Neny ihany ny saiko. Izaho rahateo tsy afaka ny hahita azy intsony raha tsy vita tanteraka ireo adina mbola hatrehina. Nony vita tanteraka ny adina ka niverina teny amin’i Neny aho vao nivarahontsana nahita ny tarehiny efa mena be sy efa voahosotra fanafody avy tany amin’ny Croix Rouge.

Vita ihany anefa iny andro iny ary isaorna Andriamanitra fa eto anivonay ihany i Neny na dia nisya aza ireny sampona rehetra ireny.

2 commentaires »

  1. pissoa Said:

    Nisy lahatsoratra mikasika ity hadisoana natoan’ny mpampianatra ao amin’ny CEG Antanimena ity koa ao amin’ny blaogin’i Avylavitra. Dia mahagaga tokoa a.

    Mirary fahasalamana ho an’ny reninao, ary mirary soa amin’ny fanadinana an-tsoratra e. Amin’ny 7 Juillet moa ? Ny zandriko farany kely koa manao BEPC izao hi hi.

  2. simp Said:

    mampalahelo tokoa izany… mirary fahasalamana hoazy ihany koa.

    Mahazo point amboniny moa ra manao EPS @ BEPC sa inona no tena antony anaovana an’le izy?
    za manko otran’ny tsy nanao an’zany t@ fotoan’androny 🙂

    bonne chance @ ambiny


{ RSS feed for comments on this post} · { TrackBack URI }

Répondre à simp Annuler la réponse.