Posts Tagged ‘Andavabiby’

Andavabiby – lentan’ny sarimihetsika malagasy

Sary mihetsika iray tsy toy ny mahazatra no entina amintsika androany, dia ilay sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe Andavabiby.

Tantara nosintonina avy amin’ny tantaran’Andrebabe izy ity, efa mahazatra ihany hoy ianao? Tsia. Tsia satria manana ny mampiavaka azy manokana Andavabiby, dia noho izy mampifangaro ny « virtuel » sy ny tena izy, indrindra noho ny fananany « décor 3D ». Izy no sarimihetsika gasy voalohany misy « effets spéciaux » toa izany. Eo ihany koa ny resaka teknolojia avo lenta ao aminy, manaraka toetr’andro avokoa ny fitaovana ampiasain’ireo mpilalao ao amin’ity sarimihetsika ity. Ny feo (background music) koa tsara dia tsara.
Izaho manokana aloha dia variana tokoa nijery, tamin’ny nandefasana azy voalohany tamin’ny 3 Aprily lasa eto. Raha tsy teny gasy sy tsy mpilalao gasy angamba no hita tao dia tsy fantatra mihitsy hoe vita gasy izy ity. Na ny sary na ny feo samy tsara avokoa. Tandremo fa mahay koa isika Malagasy an! 😉

I Thierry Andrianasolo no nanoratra sy namokatra azy io, mpamokatra sarimihetsika sady « infographiste 3D », efa malaza eran-tany amin’ny fanaovana « motion-comics ». Ny feo kosa dia i CID no namokatra azy.

Mbola hisy indray ny fandefasana azy ity ny 11 Jolay 2011 amin’ny 10 ora, ao amin’ny Madagascar DLC Anosy, tsy misy vidim-pidirana. Hisy ihany koa ny « fampianarana 3D » tontosaina ny 11 hatramin’ny 23 Jolay.

Dia manentana antsika rehetra mba ho tonga hijery azy io fa tsy ho diso fanantenana ianao, no sady ho fanohanana ny vokatra Malagasy. Ny any Allemagne sy Canada aza izao efa misy ny namana tsara sitra-po manohana ny fivoahana sy fandefasana azy io any an-toerana

Publicités