Andavabiby – lentan’ny sarimihetsika malagasy

Sary mihetsika iray tsy toy ny mahazatra no entina amintsika androany, dia ilay sarimihetsika mitondra ny lohateny hoe Andavabiby.

Tantara nosintonina avy amin’ny tantaran’Andrebabe izy ity, efa mahazatra ihany hoy ianao? Tsia. Tsia satria manana ny mampiavaka azy manokana Andavabiby, dia noho izy mampifangaro ny « virtuel » sy ny tena izy, indrindra noho ny fananany « décor 3D ». Izy no sarimihetsika gasy voalohany misy « effets spéciaux » toa izany. Eo ihany koa ny resaka teknolojia avo lenta ao aminy, manaraka toetr’andro avokoa ny fitaovana ampiasain’ireo mpilalao ao amin’ity sarimihetsika ity. Ny feo (background music) koa tsara dia tsara.
Izaho manokana aloha dia variana tokoa nijery, tamin’ny nandefasana azy voalohany tamin’ny 3 Aprily lasa eto. Raha tsy teny gasy sy tsy mpilalao gasy angamba no hita tao dia tsy fantatra mihitsy hoe vita gasy izy ity. Na ny sary na ny feo samy tsara avokoa. Tandremo fa mahay koa isika Malagasy an! ;-)

I Thierry Andrianasolo no nanoratra sy namokatra azy io, mpamokatra sarimihetsika sady « infographiste 3D », efa malaza eran-tany amin’ny fanaovana « motion-comics ». Ny feo kosa dia i CID no namokatra azy.

Mbola hisy indray ny fandefasana azy ity ny 11 Jolay 2011 amin’ny 10 ora, ao amin’ny Madagascar DLC Anosy, tsy misy vidim-pidirana. Hisy ihany koa ny « fampianarana 3D » tontosaina ny 11 hatramin’ny 23 Jolay.

Dia manentana antsika rehetra mba ho tonga hijery azy io fa tsy ho diso fanantenana ianao, no sady ho fanohanana ny vokatra Malagasy. Ny any Allemagne sy Canada aza izao efa misy ny namana tsara sitra-po manohana ny fivoahana sy fandefasana azy io any an-toerana

Aza atao valalan’amboa

Vao tsy ela izay ny vondrom-panabeazana ACEEM no nanatontosa fifaninanana tsipelina tamin’ny tenim-pirenena telo, dia ny Malagasy, ny Frantsay ary ny Anglisy, mpianatra manodidina ny 900 no nandray anjara tamin’izany. Tsikaritra tokoa ankehitriny fa verivery ny fikajiana ny tsipelina, na amin’ny teny gasy io fa indrindra amin’ny teny vahiny. Ny momba ny teny malagasy aloha dia efa fahitako matetika ihany, na ny olon-dehibe aza toa tsy dia mahafehy azy loatra intsony, fa raha vao nanomboka azon’ny ankizy ity manao club sms ity dia lasa izao! Tsy voafehy intsony koa ny tsipelina frantsay. Tsy tokony atao antsirambina anefa ny tsipelina satria tahaka ny mamono sy manimba ny teny ny tsy fanajàna azy, ary tsy fanajàna ilay tenim-pirenena ihany koa. Moa tsy mahamenatra ve izany hoe tsy hajaintsika ny tenim-pirenentsika nefa ny teratany vahiny aza tonga eto mahavita mianatra teny malagasy?Tsy tokony avelantsika ho fatin’irony « kikoolol » irony ny tenim-pirenentsika, satria rehefa ela ny ela, mety ho adino hatramin’ny tena fanoratra ny teny aza, amin’izao fotoana izao dia maromaro ihany ny olona tsy mahay manoratra ny teny hoe « Arahabaina » fa dia « Arabaina » no soratany, sy ny hoe Ampasampito, fa ataony hoe Apasapito, Ambohitraraba raha tokony ho Ambohitrarahaba. Olon-dehibe io an! Sady mitàna toerana ambony ihany eo amin’ny fampianarana. Amin’ny fomba ahoana moa no hampitàna izany hafatra izany amin’ny tanora, raha ny tokony hampita azy aza tsy manàja azy? Tadidio ilay fitenintsika hoe « Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko. » Tsaroako eto ny fotoana nivahinianako tany ampita: tsy mieritrerira ny hampiasa teny afa-tsy ny azy ireo teratany tao amin’ilay firenena nivahiniananay satria efa teny iraisam-pirenena ny azy. Tokony ho sarotiny amin’ny tsy maintsy hianarana sy hampiasàn’ireo vahiny sary monina eto Madagasikara ny teny Malagasy koa isika. Fa tsy isika indray no hanao azy ho toy ny valalan’amboa. Sanatriaviko anie izany.

Vovonana Iraisam-pirenena (Sommet Mondial) Global Voices 2010 – Santiago de Chili

Anisan’ny voaasa hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ny Vovonana Iraisam-pirenena (Sommet Mondial) an’ny Global Voices ny tenako, izay hatao ny 6-9 May ho avy izao, ao amin’ny Tranom-bokin’i Santiago .

Global Voices moa dia vohikala iray mpampita vaovao maneran-tany, amin’ny tenim-pirenena 18, ary anisan’ny iray amin’ireo Malagasy maneran-tany mandray anjara amin’ny fandikàna teny (anglisy->malagasy) ao aho.

Ny foto-kevitra amin’ity taona ity dia « Ny Fampielezam-baovaon’ny taranaka ho avy, ny fandraisan’anjaran’ny tsirairay sy ny fahafahan’ny olom-pirenena mahazo izany » (Next generation citizen media, public access and citizen participation) Ho hita ao avokoa ny  mpitoraka blaogy, mpanao gazety, mafana fo, sy mpandray anjara amin’ny GV , ary ny maro tsy voatanisa. Misy ny mpianatra, misy koa anefa ny tsy an’asa nefa afaka mahazo sy mampiasa ny aterineto an-kahalalahana any amin’ny tany niaviany.

Voalohany hanatrehako « Vovonana Iraisam-pirenena » moa ity, no sady voalohany ihany koa handehanako fiaramanidina sy handehanako any ivelany. Niteny tamiko avokoa izay rehetra mahalala hoe « Sambatra akia indry ho any an-dafy! » ka raha noteneniko izy ireo hoe « matahotra aho » dia namaly izy hoe « Zaran-dry aza mba mankany! »  Marina tokoa izany, nefa tsy hiala sasatra akory na hitsangantsangana no handehanako any, fa zava-dehibe mihoatra lavitra noho izany. Tsy vitan’ny hoe ho « mpandray anjara » fa ho « mpisolo tena ny firenena ». Somary matahotra ihany koa satria mbola tsy niresaka tamin’olona tamin’ny teny anglisy mihitsy aho hatramin’izay (raha tsy hoe tamin’ny taranja anglisy tany am-pianarana, sy tamin’ilay Vazaha teo amin’ny Service des Visas-n’ny Masoivoho Frantsay izay « nanadina » ahy). Any amin’ny « Blue Tree Hotel Fundador » izahay no mivantana, ka vehivavy Kolombiana no miray efitra amiko. Ary raha ny filazany (tao amin’ny blaoginy) dia tsy dia mahay miteny anglisy koa izy, saingy havanana amin’ny teny Espaniola. Fotoana ho anay roavavy izany io mba hanaovana « fampiharana ». Ho ahy dia « Sommet » voalohany io, fa izy kosa efa nandray anjara tamin’ny Vovonana Iraisam-pirenena tany Budapest tamin’ny 2008.

Araka ny fitsipika mifehy, tsy afaka misafidy izay ho olona hiray efitra aminao ianao (raha tsy hoe misy antony manokana), fa atao antsapaka. Miparitaka araka izany ny olona iray firenena niaviana, ary na eo aza izany, dia ny lahy samy lahy no miray efitrano, ary toy izay koa ny vavy samy vavy no mitambatra efitra. Inoako fa dia hahafinaritra tokoa izany hoe olona tsy mifankahalala sy tsy dia mifankahazo teny izany no hiara-monina mandritry ny herinandro iray eo ho eo. Ny fifangarona sy ny fifampizarana traikefa rahateo no tanjon’ny Global Voices amin’ny fikarakarana zavatra toy izao.

Eo am-panomanana ny dia moa izahay amin’izao fotoana izao, rahampitso (alatsinainy 3 may) amin’ny 1ora maraina no miainga.

Nofinofy hatry ny ela moa ny mba hivoaka an’i Madagasikara, koa dia isaorana eto avokoa ireo izay nanampy tamin’ny fanatontosana izany.

Zava-manahirana

Zava-manahirana tokoa ankehitriny izany hoe mandeha amin’ny arabe izany. An’ny mpivarotra ny sisin-dàlana eto Antananarivo , ary ifampizaran’ny mpandeha an-tongotra sy ny fiara ny arabe.

Tahotra ny ho voadona foana no ao an-tsaina isak’izay mivoaka ny trano, noho ny fahaterenan’ny lalan-kizorana.

Fa mbola zava-manahirana iray hafa koa ny toe-tsain’ny olona mifamoivoy eny an-dàlana eny an! Tsy misy miraika intsony fa dia mikaika mpitondra fiara mihitsy aza rehefa mba andefasana fanairana. Toa izy ireo indray no mafy be noho ny vy, ka nofy ho azy izay handeha haingana sy hijery ilay nampaneno fanairana. Misy mihitsy aza ny mahavita miteny hoe ‘Dony raha sahy ialahy e!’

F’angaha tena tsy misy hevitra mihitsy ny handaminana ity reaska arabe ity e? Aiza rangahy koa ny mpivarotra (fiara, enta-madinika mandehandeha, kojakoja tsy dia hita hoe ahoana, sns…) no mameno ny tanàna.

Mampalahelo raha toy izany no ho foto-pisainana entina hitombo, satria dia tsy ankizy, tsy lehibe, fa samy manana an’io fomba ratsy io daholo.

NANAO Gymn BEPC IHANY AHO

Nanao adina ara-panatanjahantena aho tamin’ny Alarobia 14 mey 2008 teo. Vita soa ilay izy na dia nisy aza ny sampona.
Sampona voalohany: efa tany ampialana sasatra izahay ankizy vao nilazan’ny namanay mpanao cours FRAM tao amin’ny toeram-pianaranay (CEG Antanimena) fa hoe alaivo haingana ny fiantsoana anareo fa Talata 13 mey amin’ny fito sy sasany maraina dia efa misy manao Gymn. Nefa ny mpianatra amin’io Talata 13 mey io vao miverina mamonjy sekoly aorian’ny fialantsasatry ny pantekôty. Ny ahy Alarobia 14 mey tamin’ny 07 ora sy sasany maraina ny adina.
Sampona faharoa: Nony tafaverina tany an-tsekoly izahay ny Talata taorian’ny fety dia izahay indray no nobedesin’ilay Madama V… tompon’andraikitra tao an-tsekoly, hoe

« fa adala ve aho niteny taminareo hoe alaivo ny fiantsoana anareo e! nefa ianareo tsy tonga »

. Amin’io Madama V…io izany dia narenina daholo ny ankizy classe de Troisieme rehetra tao amin’ny CEG (efa ho an-jatony) ka tsy nisy nahare izay hafany izay. Dia mba lalina ihany raha vehivavy lehibe toa azy no ho sahy hilaza ny ankizy ho adala rehefa izy no tena nanao hadalana tany amin’ny toerany tany.

Sampona farany: Nanao basikety aho nandritry ny adina teny Mahamasina, ary rehefa vita izany dia lasa indray handeha hanao taranja hafa. Ny reniko ny niaraka tamiko tany tamin’io andro io. Nifampitsinjo izahay mianaka rehefa vita ny basikety, ary nifanao tazan-davitra. Loza efa ho avy anefa fa, raha iny i Neny nijery ahy iny dia noheveriny ho mila azy angamba aho ilay mitanandranandrana eran’ny kianja. Saiky hamindra ho eny amiko izy, no voafingan’ireny vy mitsangana ao an-kianja ireny, ary dia potraka tamin’ny tany. Ny tavany no nandeha mialoha ary dia naratra be tokoa manomboka ety amin’ny orony ka hatreny amin’ny ambony maso. Nentina namonjy haingana ny Croix-Rouge teo akaiky teo izy.
Tamin’ny voalohany dia tsy noheveriko ho naratra mafy izy. Fony vao avy nianjera mantsy izy dia vovoka no nihevereko ireo teny amin’ny tarehiny ka nofafako fotsiny dia lasa aho namonjy kianja. Sady manao ny adina aho no misaina izay nahazo azy nohy nahita fa hay ny tanako avy namafa azy ka nisy rà. Nanomboka teo dia tanaty tebiteby no nentiko niatrika ny adina sisa ambiny tokony ho natao, fa tany amin’izay niafaran’i Neny ihany ny saiko. Izaho rahateo tsy afaka ny hahita azy intsony raha tsy vita tanteraka ireo adina mbola hatrehina. Nony vita tanteraka ny adina ka niverina teny amin’i Neny aho vao nivarahontsana nahita ny tarehiny efa mena be sy efa voahosotra fanafody avy tany amin’ny Croix Rouge.

Vita ihany anefa iny andro iny ary isaorna Andriamanitra fa eto anivonay ihany i Neny na dia nisya aza ireny sampona rehetra ireny.

INDROA MAHITA NY MAIZINA

INDROA MAHITA NY MAIZINA Zavatra nahavaka ny sain’ny mponin’Andravoahangy Ambatomitsangana nanomboka ny fiandohan’ny volana Mars ny tsy fahafatesan’ny jiron’ny JIRAMA teny amin’ny andrin-jiro na andro na alina. Talohan’io dia toy izao ny zava-nisy. Amin’ny antoandro no mirehitra ny jiro, ary dia maty sy tsy misy hazavana rehefa alina. Mifamadika tanteraka amin’izay tokony ho izy. Rehefa nilazàna ny tao amin’ny JIRAMA dia nijery ary nilaza fa simba ny fitaovana mpibaiko tena mitondra azy io, ho an’ny fokontany roa (Andravoahangy andrefana sy atsinanana) ary ny manodidina azy akaiky. Tapa-bolana lasa ary izay dia notsoahan’ny JIRAMA ary ilay fitaovana. Dia nirehitra tsy nijanona teo ny jiro, na andro na alina.

 sunp0001.jpg

Rehefa niantso tany sy nandeha nandoa vola tany ny Sekoly iray sy ny mponina vitsy tety aminay dia nilaza ry zareo fa efa nomeny fiofanana ireo filoham-pokontany roa voalaza etsy ambony mba hahafahan’izy ireo manapaka ny herinaratra mandrehitra ireo jiro rehefa mazava ny andro. Ary tsy maintsy ho voapetraka ny solon’ilay fitaovana, na ilay izy avy namboarina, hatramin’ny sabotry 22 mars izao raha tara indrindra satria mbola lasa nanaraka fiofanana koa, hono, ilay zalahy mpametaka azy amin’ny toerany. Tsy nisy nanapaka anefa ilay jiro rehefa antoandro fa dia mitohy mirehitra eo ihany. Rehefa nanontaniako indray ny filoham-pokontany Andravoahangy IVB-IVC dia nilaza fa sao dia fanahy iniana arehitra ilay izy , na sao misy disadisa eo amin’ny kominina sy ny JIRAMA ka at no no ialana vonkina. Koa IZA NO DISO IZA NO MARINA? Ny marina aloha izao dia ho be ny vola hivoaka amin’ny kitapom-bolan’ny kominina misahana ireto fokontany ireto e. Dia mazava ho azy fa hisy fiantraikany amin’ny kitampom-bola tokony mba hiasan’ny fokontany koa izany tranga izany. Izay no anton’ilay lohateny INDROA MAHITA NY MAIZINA, satria rehefa avy niaina ny tsy fisian’ny fahazavàna amin’ny alina, teo aloha, dia tsy maintsy hamoaka vola be indray aty aoriana. Aiza ilay fiofanan’ny sefom-pokonany e? Ary aiza ny maha-matihanina ny orinasa ttomponandraikitra e?

Ty lozanao ry Ivan!

Loza tokoa no naterak’iny rivo-doza Ivan iny satria saika ny renirano rehetra dia niakatra daholo ary Ikopa aza dia tondraka mihitsy. Hita izany manomboka eny Tanjombato ka hatrany Anosizato, mandalo ny tetezan’Ampasika ka hatrany Ambohitrimanjaka. Raha ny eny Tanjombato ohatra dia avo dia avo tokoa ny rano ka mandifotr’olona. Ny sasany aza moa dia voatery nifindra trano mihitsy satria tonga hatreny am-baravarankely ny rano. Ny moron-drano fanasana lamba taloha dia tsy misy intsony amin’izao fotoana izao. Ny tetezana eny Tanjombato koa kely sisa dia ho tratry ny rano satria 1metatra sisa no manasaraka azy ireo amin’izany. Raha eo amin’ny lafiny fahadiovana indray no resahina dia azo lazaina fa lasa maloto ny tanànan’Antananarivo. Hatramin’ny ranon’ny JIRAMA tonga any an-trano aza dia miloko maitso. Nanambara ampahibe-maso anefa ity farany fa tsy misy atahorana eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana izay loko maitso izay fa vokatry ny fahatapahan-jiro sy tsy fandehanan’ny milina mpampakatra rano ho anay anaty fantsona nandritry ny fandalovan’iny rivo-doza iny. Fotsy mangatsakatsaka ny rano teo aloha. Mampanantena anefa ny JIRAMA fa tsy haharitra ela dia hiverina toy ny taloha io resaka rano io.
Mba hanao ahoana izao ny momba ilay écrevisse marbrée izay natahorana mafy ny fianahany, nefa ankehitriny ny rano mitobaka eran’ny tanana, ary inoana fa efa betsaka no lasan’Ikopa nidina any amin’ny faritra maro any? Tsy maintsy efa ho niparitaka amin’ny faritra maro mantsy izao izy ireny noho ny tondra-drano etsy sy eroa. Mbola mijanona ho fanontaniana tsy misy valiny aloha izany hatramin’izao. (ao anaty aquarium-anay misy!!)

Rimorimo

Mbola tsy afaka tao an-tsain’ny mponin’Itaosy akory ilay zazavavy kely nofisahan’ny kamiao noho ny hateren’ny lalana. Ny antony moa dia feno mpivarotra ny trotoirs. Nihafihafy be ilay zaza,hono, niaraka tamin’ny reniny nadeha tamin’ny sisin’ny trotoir. Nibolisatra tampoka anefa ilay zaza ary tonga dia ny tratrany manontolo no notetezin’ilay kamiao. Ny sary entiko aminao indray anefa dia taxibe 163 nirimorimo vao maraina ka nandona olona teo Ambatomitsangana. Tsy io irery no manao toy izany fa rehefa taxiben’Antananarivo. Maika ny hanenjika mpandeha sy tsy te ho maty tour. Angamba navesatra mihitsy ho an’ilay olona sy ny fianakaviany ny nieritreritra hoe, hivoaka hamonjy asa no anton-dia,nefa hopitaly no nivantanana. Mba rahoviana no ho voaaro izahay mpandeha an-tonotra e? Indrindra fa izahay mandeha amin’iny lalan’Antanimena iny?

 sunp0001.jpg

Teny ratsy

Gaga be aho nahita raiamandreny sy zanaka miresaka. Resaka tsotra mihitsy an. Tsy misy tezitra fa toy ireny olona mifanakalo hevitra ireny, nefa dia toy ny rano midina ny teny ratsy ampiasain’izy telo mianaka. Asa izay mitranga raha sanatria ao anaty hatezerana ireto olona ireto no miresaka fa tena tsy zakan’ny mpifady henoina ny fomba firesany. Dia mikororosy tokoa ny fianakaviana raha toy ireny an!

Mitsikia foana ho’aho

Manana trano ao Ambohimandroso Ambohimanarina ny raiamandreniko. Tsy tiako loatra anefa ny mandeha lava any noho ny fahitako ny fahorian’ireo ankizy mipetraka manodidina ny tanananay. Tsy mba misy rano fisotro tonga mantsy ao, no sady koa tsy mba misy fivoahan-drano maloto (évacuation). Indray andro niresaka momba izany tamin’ny lehiben’ny Fokontany i Dada, satria hanao lalankely teny an-toerana ny projet Seecaline. Natsipin’i Dada taminy ny tokony hanararaotana io asa io indray mandeha tonga dia sady lalankely no asiana tatatra fanariana rano maloto amin’ny sisiny. Dia namaly ingahy filoham-pokontany fa aleo ho asa manaraka izany, fa tsy atao amin’ity indray mitoraka ity. Tezitra be i Dada fa tsy nety resy lahatra mihitsy ilay iraika lahy. Hoy mantsy i Dada mantsy azy: » dia aleonao izany ny Fokontany iadidiana tsy handroso toy izao foana? Jereo anie fa lany andro mandeha mantsaka ny ankizy sy ny vehivavy , rehefa maraina e! Dia mitaona ny rano maloto nangonina nandritry ny andro indray rehefa hariva. Mihena ny fotoana ahafahana mikarakara tokantrano sy manao fianarana. Ferana koa ny fandaniana rano, dia mitombo ho azy ny loto, sy ny tsy fahasalamana mazava ho azy. Izany ve no Fokontany tianao holovain’ny taranaka? Mba mieritrereta rangahy ity ah! » Dia namaly tsotra ingahy filoha fa aleo,hono, hataon’ny ao aoriana fa manjary tsy misy asa atao intsony.

Mba rahoviana re vao hivoatra Ambohimandroso Ambohimanarina e? Jereo anie ireto sary asehoko anao manaraka ireto e! Feno loto ny tanana, mifanakaiky ny fanariam-pako sy ny fivarotana ary ny hotely kely madinidinika isan-karazany

sunp0007.jpg.

Nefa na dia izany aza, mbola miezaka ny hitsiky ihany ny kilonga Malagasy kelinay

sunp0013.jpg.

Ntsôôôôô reto izy handeha hilahatra rano eny amin’ny paompin-drano iraisana. Anjaranao mamaky no mijery ny halavan’ny laharana sy ny isan’ny seaux mifanosontsosona eo

sunp0014.jpg

.

Suivre

Recevez les nouvelles publications par mail.